<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Efa tonga zana-dRay Tsitoha
 hianao,
 Ry tanora, tamin'ny batisa
 masina ;
 Izany no tenin'ny Tompo.

[V2]
 Koa aza manadino ny
 batisanao,
 Zava-tsoa sarobidy efa
 azonao
 Tamin'ny ranon'ny aina.

[V3]
 Famelana heloka sy
 fahasoavana,
 Fanavaozana ny fo sy
 fiadanana,
 Samy nomen'ny Mpamonjy.

[V4]
 Dia arahonao Jesosy, fa
 Mpamonjinao ;
 Aoka hahafaly Azy ny
 fiainanao,
 Tovy izay sitrapony !

[V5]
 Mivavaha, miambena ao
 an-dalana !
 Misy fahavalo fetsy
 ta-hamitaka
 Ny ondrikelin'ny Tompo.

[V6]
 Mahatoky ny Mpamonjy,
 aza kivy fo,
 Izy hampionona raha avy ny
 manjo ;
 Azy ny hery rehetra.

[V7]
 Ary raha tapitra ny andronao
 atý,
 Endrey ny fifalianao rehefa
 'mby arý
 Amin'ny Tompo Jesosy !</lyrics>
<title>Efa tonga zana-dRay Tsitoha hianao FFPM291</title>
<hymn_number>291</hymn_number>
</song>